Ato anaty habakabaka

Izany ve dia fitiavana

bigmama | 26 Septambra, 2006 13:39

Izany ve de fitiavana

Nandrasany ianao hampitsiky hitondra hafaliana
Kinanjo teny maharary no namborakao taminy
Ny tsikitsikinao sy ny tenimaminao
Tsy hita intsony fa nankaiza?

Sao dia sanatria misy sosony any ho any
Ka mampiteraka fankahalana sy tsy firarahina
Marary ange izy fa miaritra tomany
Fa tsy sanatria hoe fanahy iniana

Ianao tokoa mantsy tia vao
Ka zay tonta somary adinodino
Aiza ilay orokoroka tambitamby fahiny
Zary ompa sy ozona

Misy farany anefa ny zavatra rehetra
Ka sao ho diso ny safidinao
Misy hasiny ange izy na tsy miteny aza
Mba asio lanjany ihany lahy

Izany ve de fitiavana fahoriana sy ranomaso
Nefa ianao vao mainka tiany
Satria mandoatra ilay fitiavany ny fankahalanao azy
Izany ve de fitiavana

 

Tsy tononkalo fa aingam-panahy

 

R.R 

 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb