Ato anaty habakabaka

Aza maka lagy

bigmama | 18 Jolay, 2006 22:42

Ny Itiavako anao

Ny itiavako anao tsy hoe ireo masonao baliaka

Na ny rotsimpifaliana amin'ny endrikao sariaka

Toa misarina anjely, tsia tsy izany velively

Ny itiavako anao tsy hoe ireo haingonao mirindra

Amizato bikanao na mijoro na mamindra

Toa misarina anjely, tsia tsy izany velively

..........

Manko ireny rehetra ireny

Mora simba mora miofo

Manko ireny rehetra ireny

Mbola hifahatra amin'ny nofo

Fa ny itivako anao hatrin'ny ela nokatsahiko

Dia ilay hiratra fanahy, ny fanahinao sy ny ahiko

Ilay tsy takampandrefesana, Ilay tsy resimpahafatesana

R.R.

Efa hitanao ve izany any ankoatra

Za aloha mbola tsy nahita, asa ianao raha efa nahita?

De ozy aho hoe, andeha hifankatia e, hifanampy, hifanoana, ny eto aloha no atrehana fa zany lanitra zany mbola tsy fantatra na aiza na aiza, finona fotsiny le izy, fa ny fiainanao aloha hatrehana, rehefa mbola velona ianao dia manotania tena hoe: inona moa no antony fisiako, hanao inona, de inona izany no tokony ataoko, misy tsy vita ve, misy mbola tokony ataoko? Ary ny namako, mpiarabelona amiko, misy sahirana ve, misy mahantra ve, misy ory ve, misy malahelo ve? sao de mba misy azoko atao, fa ny fananako vola aman-karena moa, inona no tena ampiasako azy, hampijaliana ny hafa, asa?

Tadidio fa raha mbola misy ambi-tsakafo ao anaty Frigo anao - Raha mbola manana vola any amin'ny banky ianao de enao mbola anisan'ireo tsara fivelomana mihoatra ny hafa, ka asanao, fa eritreritra anaty habakabaka ny ahy.

 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb