bigmama | 26 Septambra, 2006 13:39
Izany ve de fitiavana
Nandrasany ianao hampitsiky hitondra hafaliana
Kinanjo teny maharary no namborakao taminy
Ny tsikitsikinao sy ny tenimaminao
Tsy hita intsony fa nankaiza?
Sao dia sanatria misy sosony any ho any
Ka mampiteraka fankahalana sy tsy firarahina
Marary ange izy fa miaritra tomany
Fa tsy sanatria hoe fanahy iniana
Ianao tokoa mantsy tia vao
Ka zay tonta somary adinodino
Aiza ilay orokoroka tambitamby fahiny
Zary ompa sy ozona
Misy farany anefa ny zavatra rehetra
Ka sao ho diso ny safidinao
Misy hasiny ange izy na tsy miteny aza
Mba asio lanjany ihany lahy
Izany ve de fitiavana fahoriana sy ranomaso
Nefa ianao vao mainka tiany
Satria mandoatra ilay fitiavany ny fankahalanao azy
Izany ve de fitiavana
Tsy tononkalo fa aingam-panahy
R.R
bigmama | 18 Jolay, 2006 22:42
Ny Itiavako anao
Ny itiavako anao tsy hoe ireo masonao baliaka
Na ny rotsimpifaliana amin'ny endrikao sariaka
Toa misarina anjely, tsia tsy izany velively
Ny itiavako anao tsy hoe ireo haingonao mirindra
Amizato bikanao na mijoro na mamindra
Toa misarina anjely, tsia tsy izany velively
..........
Manko ireny rehetra ireny
Mora simba mora miofo
Manko ireny rehetra ireny
Mbola hifahatra amin'ny nofo
Fa ny itivako anao hatrin'ny ela nokatsahiko
Dia ilay hiratra fanahy, ny fanahinao sy ny ahiko
Ilay tsy takampandrefesana, Ilay tsy resimpahafatesana
R.R.
(tohiny)« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |